Ny fahavanonana sy ny hoe maha-olomp-pirenena dia tsy afaka misaraka. Mifameno ireo, tsy ho tomombana ny maha-olom-pirenena raha tsy ao ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Rehefa tonon-taona dia misy foana ny famaritana tanjona sy ny dingana samihafa hatrarana izany. Atao araka izany, ny tomban'ezaka tamin'izay vita nandritra ny taona 2021, ary hapetraka ny tanjona ho amin'ny taona 2022. Ilaina hatrany ny fanaovana tombana mialohan'ny hanatanterahana zavatra hafa sy vaovao. Fandaharana "Ampela Miary", tontosaina eto amin'ny RDB.
Alarobia 12 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
♦ Pretra iray no naratra mafy noho ny fanafihana nahazo azy tao Beraketa any Androy. Efa nanomboka nahatsiaro tena izy androany... ♦ Vonona hiara-miasa amin'izay te hampandroso ny Tanindrazana ny Fiangonana Katôlika, hoy ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka androany, tao aorian'ny fiarahabana ny Filoha mivady teny Iavoloha... ♦ Efa azo lazaina ho tratra kosa ny "PIC" tamin'izao andiany fahatelo amin'ny Covid-19 eto Madagasikara izao, raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mpitsabo. Ilaina hatrany anefa ny fampiharana ireo fepetra sakana...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco