Alahady 12 desambra 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 10-18
Maina ny ankamaroan'ny tanimbary eny amin'ny distrikan'Antananarivo-Atsimondrano. Tsy manakana an'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert, nanetsa vary izany amin'izao volana desambra izao...
Tokony hisongadina ao anatin'ny hafaliana vokatry ny fitiavana ny fiainam-pianakaviana. Antson'Andriamanitra ny fanorenana fianakaviana ary misy iraka sahaniny ho fanasoavana ny fiaraha-monina. Manamasin-tena izy amin'ny alalan'ny fiainana ny sotovanina sy ny fiainam-bavaka. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".
Tena zava-dehibe ny fahaizan'ny zatovo miara-miasa amin'ireo mpikatrotra ao amin'ny ankohonam-piangonana manomboka amin'ny pretra mpiahy sy izay miaraka aminy ao, ny mpiandraikitra isan'ambaratongany ao amin'ny Filan-kevitry ny pretra. Marihina fa ny fanoloran'ny pretra ihany no ahafahan'ny zatovo iray hanaraka ny fiofanana maha-Mpandraharaha masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco