Ny filaminana dia ilaina tokoa na eo amin'ny fiaraha-monina samihafa na eo anivon'ny ankohonana. Isika tsirairay avy no mitambatra no zary ankohonana ary ny filaminan'ny tsirairay no antoky ny filaminan'ny ankohonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Maro ny aretina tsy mifindra anefa manelingelina ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana no isan'ny mahatonga ny aretin'ny taova-pisefoana, izay vokatry ny fako sy ny setroka isan-karazany. Ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina ny fanajana ny fahadiovana satria izay tsy mandoto dia isan'ireo efa manadio. Marefo ny fahasalamam-bahoaka raha vao misy tsy fahalavorariana ny fahasalaman'ny tsirairay. Mila manao ezaka ny olona rehetra mba hanarahana ireny tetik'asa ataon'ny fanjakana momba ny fahasalamana ireny. Maro ihany koa ny aretina ateraky ny fandrosoana toa ny fandrosoana teknôlôjia sy ny asa-fikarohana hafa...
Alarobia 15 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
♦ Tsy misy hatahorana ny vola entina miatrika ny fifidianana amin'ity taona ity, hoy Filohan'ny CENI... ♦ Am-perinasa amin'ny maha Talen'ny Kabinetra Sivily eny amin'ny Fiadidiana ny Repoblika azy, Ramatoa Andrianarisoa Romy. Tontosa androany ny famindram-pitantanana teo aminy sy Ramatoa Raharinina Baomiavotse... ♦ Nahitana razana miisa 11 indray androany, tao amin'ny fari-dranomasin'ny Nosy Faly, any Ambanja, nitrangan'ny faharendrehan'ilay sambo nitondra olona an-tsokosoko, saika hihazo an'i Mayotte, ny sabotsy alina lasa teo...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco