♦ Tsy misy miova ny fampianaran'ny Eglizy Katôlika momba ny mariazy, hoy i Mompera Jean Séraphin Rafanomezantsoa, manoloana ny fanambarana navoakan'ny Dikasteran'ny Fampielezana ny Finoana, momba ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana... ♦ Fanendrena Eveka, Sinaody, fananganana Olomasina, fiainam-pirenena: ireo no nivoitra tamin'ny dian'ireo mpikambana ao amin'ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tany Rôma, tamin'ny faran'ny volana nôvambra teo...
Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...
Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Vokatry ny asa eo amin'ny fiaraha-monina sy ny ara-piarihana : tsy mitoetra ho an'ny olona izay miasa irery ihany ny vokatry ny asany fa misy vokany eo amin'ny fiaraha-monina mihitsy. Na dia ny hiveloman'ny mpiasa aza no antony tany am-piandohana dia tombontsoa ho an'ny rehetra iny avy eo. Mba tsy hiankinan-doha na hanararaotra ny hafa dia mila miasa ary miala amin'ny toe-tsaina "omeo omeo lava" ny olona. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco