Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Nipetraka tao amin'i Rado sy Bodo, i Mialy, zanaky ny anambavin'i Rado. Nanaovan'i Bodo toetra ratsy i Mialy, nampanaoviny asa an-trano maro tsy an-kihato : tondraka voninkazo, fividianana ireo kojakoja an-dakozia. Niezaka nanafina ny zava-nisy i Mialy na mankarary ny fony azy ny fifandraisany amin'ny Bodo ao an-trano. Nisy fotoana voatenin'i Onja fa ampanaovin'ny reniny asa be loatra i Mialy ary somary niahiahy i Rado. Noresen'i Bodo lahatra i Onja ary nanaiky ny haneho toetra ratsy amin'i Mialy...
Isan'ny nampiavaka an'i Md Joany Bosco ny fikarakarana ny tanora amin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny lalao, finoana ary vavaka. Ny finoana katôlika dia manao zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ny fianarana mozika sy ny lalao isan-karazana, tanjona hitaizana ny vatana sy hikolokoloana ny saina. ireo dia fototra hametrahana ny fitsipi-piainana entina miahy ny fanindriana ny fo manoloana ny fahatezerana...
27 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco