♦ Sivy ireo matin'ny Coronavirus, raha ny tatitry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, androany... ♦ Ho fantatra tsy ho ela, hoy ny Praiministra, ny karazam-bakisiny hafaran'i Madagasikara... ♦ Miakatra hatrany ny tahan'ny fandoavan-ketran'ireo orinasa, raha ny tatitra nentin'ny Foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra, androany...
Namaritra fanamby hametraka mari-pamantarana momba ny kalitao na ny “label qualité” ho an’ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy ny Malagasy Dairy Board. Izay no ifantohan’ny tohana atao amin’ny mpiantsehatra miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka… Fanamby nandritra ny fivoriambe notanterahana tamin’ny 19 Marsa 2021 teo…
Vehivavy mahery, miatrika ny vanim-potoana ankehitriny. Ny atao hoe vehivavy mahery dia vehivavy mahafantatra ny tenany, mankafia ny tenany ary tsara fifandraisana amin’ny hafa. Miteraka voka-tsoa ho azy sy ho an’ny manodidina azy izany…
Ny tokony hatao manoloana ny tranga rehetra mianjady ny olona mitondra ny "TERINTSAINA" na "STRESS".(24-03-2021)
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco