Manampy antsika hahay handray fanapahan-kevitra an-kalalahana eo amin'ny fiainana : miezaka ny hahafantatra lalina sy marina ao anatin'ny fo ny fahaiza-mandanjalanja ; te-hahalala ny faniriana. Maro ny karazana fandanjalanjana : antso, ara-môraly, ara-panahy... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
Misafotofoto amin'i Nomena ny fiainany. I Bodo, reniny niteraka azy dia namela azy hotezain'olon-kafa noho ny fomba tsy mahazo mitaiza zaza kambana. I Zara, reniny nitaiza sy nitia ary nanolokolo azy, nilaozany satria noheveriny ho nivarotra azy tamin'i Bodo izay te haka azy indray. I Claude izay noheveriny fa tena rainy dia nambara taminy fa tsy rainy koa.
♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainan'ny Eglizy maneran-tany, ny Viste ad limina, ny 24 ôktôbra 2022... ♦ Notanterahana tany amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ny fanakalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny fampielezana ny finoana eto Madagasikara ny 22 sy ny 23 ôktôbra 2022... ♦ Nosokafan'ny Papa François tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 23 ôktôbra 2022 ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023...
24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco