♦ Sehatr'asan'ny fikambanana Graine de vie ny fikajiana ny tontolo iainana. Fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna miezaka amin'ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo eto Madagasikara. Amin'ny alalan'ny fizaràna zana-kazo sy masomboly maimaimpoana no hanatanterahany ny vinany, 10 taona izao... ♦ Ny Babakoto na Amboanala : Iray amin'ireo varika mampiavaka an'i Madagasikara, milanja 6kg hatramin'ny 9,5kg izy ary miloko mainty sy fotsy ny vatany...
Ny ray aman-dreny dia tokony hanaraka sy hanaja fitsipika. Sahirana ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanany satria tsy mitovy ny fomba handraisan'ny ankizy ny ho fihibohana. Araka izany dia hasaina ireo ray aman-dreny mba hiezaka hamantatra ny tetiandrom-pampianarana sy ny fizotran'ny fanabeazana ireo zanany. torak'izany koa ny toe-tsain'ny ankizy ahafahana manampy azy satria misy akony lehibe ny fahabangana (mpampianatra, namana, tontolo manodidina eny anivon'ny sekoly)...
Alarobia 19 mey 2021 — Cher Frère Raphaël-Louis Rafiringa, Olontsambatra — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30
♦ Natomboka androany ny andian-taona manaraka afaka misitraka ny vakisinin'ny Covid-19 eto amin'ny Faritra Analamanga, dia ireo zokiolona maherin'ny 60 taona... ♦ Ny 94,66%-n'ireo olona mararin'ny Covid-19 no efa sitrana teto Madagasikara. Ny 1,73% kosa no namoy ny ainy, araka ny antontan'isa nivoaka androany...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco