Tsy atao hifaninànana akory ny olombelona mpiara-belona aminao, sakamalo sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy. Ny olonna tsirairay dia tokony hanana fototra tsara. Mandeha ho azy ny fihetsika rehefa voataiza tsara ny toe-tsaina. Ny mpiara-belona amintsika dia tsy fahavalo fa manana fijery hafa fotsiny, tsy ny olona no atao hoe fahavalo fa ny tranga-piainana no atao hoe fanamby hihorana. Tsy hatao ao an-tsaina loatra ny hoe "ady ny fiainana" mba hitoetra ny fahatokisan-tena sy ny risim-po ary mba handresena ny tahotra...
Alarobia 2 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27
♦ Misy lamina manokana ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina amin'ny alahady ho avy izao, ho an'ny eto amin'ny diosezin'Antananarivo. Manazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Arsevekan'Antananarivo... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, miisa 24 ny tranga vaovao tamin'ny fitilina 202 natao omaly. 122 kosa ireo sitrana ary roa ireo marary lavon'ny aretina, teto Analamanga avokoa izy ireo...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco