Ny ankohonana, ny fianakaviana dia anisan'ny fototra iorenan'ny Fiangonana. Mitana anjara toerana lehibe ny tsirairay ao anatin'izany fianakaviana izany. Natao hifanampy amin'ny fampandrosoana ny fiangonana miaraka amin'ireo mpisoron'ny Avo Indrindra ny ankohonana, izay no mahatonga ny Fiangonana ho fianakaviana natambatry ny finoana, ary anisan'ny mpitory ny Evanjely sy mpanitatra ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asa sahanin'ny tsirairay, ny fanehoana amin'ny andavanandrom-piainana ny fitiavana, ny fifanasoavana eo amin'ny mpiara-belona. Izany no mirindra dia ny fahaizana miara-dalana amin'i Jesoa, ny fiainana sy famakiana ny teniny isan'andro amin'ny alalan'ny Baiboly.
28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.
Ireo fepetra hanampy antsika hahalala fa avy amin'Andriamanitra ny fanahy manosika antsika : Fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalalana onona. Mikatsaka hatrany ny fiombonana ao amin'ny Fiangonana. Manaiky an'i Kristy amim-pinoana sy amim-pitiavana ary mampiely ny fiandrianany. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Nihaona tamin'ny Papa François androany, ireo Evekan'i Madagasikara, izay manatanteraka ny Visite Ad Limina any Rôma. Nandray ireo Malagasy monina sy mianatra any an-toerana ihany koa ny Papa, avy eo... ♦ Mbola misy faritra maro no tsy naharay ny karne fanisana mpifidy, iray volana tao aorian'ny nanombohan'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ May ny ampahany amin'ny Tsenan'Anosibe alina. Trano fivarotana 102 no levon'ny afo tamin'izany. An-tapritrisany maro ny faty antok'ireo mpivarotra nanana entana may tao, raha ny fitarainan'izy ireo, androany...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco