Alahady 20 jona 2021 — Alahady faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40
Ireo vahivavy vao avy niteraka dia mila manao mafana tsara sy harahina maso ny fahasalamany, manomboka amin'ny fotoana niterahany hatramin'ny fiverenany fadimbolana. Nandritra ny 9 volana no nitondrany vohoka ka rehefa teraka dia misy dingana maromaro hiverenan'ny tranon-jaza amin'ny laoniny...
♦ Misy ambadika hafa ny savorovoro eny amin'ny Oniversiten'ny mpianatra any Toliara, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zadarimariam-pirenena, androany. Nilaza ity jeneraly ity, fa misy olona karohin'ny mpitandro ny filaminana amin'izao, voalaza fa ambadik'izany... ♦ Efa vita 99% ny asa fanamboarana ny lalana Rocade Iarivo, mampitohy ny By-Pass sy Andranobevava, namboarin'ny fitondrana teo aloha. Voalaza fa hitokana izany ny Filoham-pirenena ny 24 jona izao...
Ny Aomonierian'ny Hôpitaly dia asam-pamonjena manakaiky am-pirahalahiana an'ireo mpiasa sy mpandraharaha rehetra ao anatinio sehatra io sy ireo marary tsaboina ao ary ny fianakaviany mba hampanatonana azy ireo akaiky kokoa ny Vaovao Mahafaly na ny Evanjely amin'ny fankaherezana sy fanohanana ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco