♦ Hiainga eto Antananarivo, ho any Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra 2021 ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Notokanana omaly ny Fiangonana Notre-Dame de Lourdes, Miaramasoandro Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino handray anjara amin'ny soa iombonana, mandritra ny vanim-potoanan'ny Fiaviana ny Papa François...
Alahady 12 desambra 2021 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 10-18
Maina ny ankamaroan'ny tanimbary eny amin'ny distrikan'Antananarivo-Atsimondrano. Tsy manakana an'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert, nanetsa vary izany amin'izao volana desambra izao...
Tokony hisongadina ao anatin'ny hafaliana vokatry ny fitiavana ny fiainam-pianakaviana. Antson'Andriamanitra ny fanorenana fianakaviana ary misy iraka sahaniny ho fanasoavana ny fiaraha-monina. Manamasin-tena izy amin'ny alalan'ny fiainana ny sotovanina sy ny fiainam-bavaka. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".
♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco