Amin'ny ankapobeny sy ny lôjikam-piainana dia ny raim-pianakaviana no tena miasa mamelona sy miahy ary miaro ny fianakaviany. Mila fiomanana mialoha ny maha raim-pianakaviana : na ara-potoana na ara-piariana, izany hoe manana antom-pivelomana, manana fonenana mitokana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Tantaram-pianakaviana miezaka miady amin'ny fiainana. Mpitarika sarety sy mpitatitra entana ny lehilahy ary mpanasa lamba sy mpitaona tany ny renim-pianakaviana. Fianakaviana roa samy anatin'ny fahasahiranana sy hakiviana. Nanam-piniavana sy fanantenana ho tafavoaka hatrany ny raim-pianakaviana, etsy ankilany kosa tsy mba misy fankasitrahana mba setrin'izany ezaka izany ny vehivavy. Mahay mifanohana sy mifanitsy amin'ny fiainana ny roa tonta, miaina amin'ny lalan'ny fahamarinana...
♦ Niampy roa indray ireo Olomasin'ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana, Olontsambatra roa no naroso ho eo amin'izany laharana izany omaly. Anisan'izany ilay Frera Salezianina, Artémide Zatti... ♦ Mamangy ny fikambanana eto Madagasikara ny Père Général an'ny Fikambanan'i Jesoa. Anisan'ny notsidihina ny tany amin'ny Diôsezin'i Mananjary sy ny tao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Natsangana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Fraternité Franciscaine ao Vohipeno...
10 ôktôbra — Teraka tany Grèce tamin'ny fiantombohan'ny taonjato fahafito, avy amin'ny fianakaviana gauloise na bèlge i Ghislain. Tao aorian'ny nandalinany haisoratra tao Athènes dia niditra tao amin'ny fikambanana manaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Basile izy, ary nohamasinina ho pretra. Nisy nilaza fa arseveka tao Athènes ihany koa izy.
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco