Ny fisian'ny tsimok'aretina sy ny fiparitahany no nametrahana ny hamehana ara-pahasalamana, izay tsy maintsy hanajana ireo fepetra farafahakeliny : ny fijanonana an-trano, ny fanaovana aro-vava sy aro-orona, ny fanasana tànana matetika amin'ny rano sy savony ary ireo "gel hydroalcoolique", ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny famendrahana fanafody matetika amin'ny toerana isan-tsokajiny. Na dia miteraka sakana ara-tsaina aza izany dia atrehana am-pitoniana sy am-pitandremana, mba hahazoana fahasalamana .
Alahady 05 jolay 2020 — Alahady faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 25-30 — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.
Ny fahaizana mifandray amin'ny hafa, dia misy fiantraikany aminao bebe kokoa. (01-07-2020)
Alarobia 01 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 28-34 — Andriamanitra nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco