♦ Manalavitra morontsiraka atsimo andrefana ilay rivodoza Freddy. Nitombo hery ka lasa "Cyclone tropicale" izy androany... ♦ Natomboka tamin'ny dia be niala teny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano, ny hetsika nataon'ireo vehivany an-jatony avy amin'ny Faritra 23 manerana ny nosy, vorilanona eto an-drenivohitra, hanamarika ny andron'ny 8 marsa rahampitso... ♦ Nanamfy ny fiaraha-miasa hanohanana ireo vondron'olona an'ny amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ho afaka hiatrika ny toe-java-misy any an-toerana, ny PAM sy ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
Ny fiaraha-monina malagasy dia isan'ny niaina tao anatin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny angano, ka araky ny angano Merina sy Bara ary Betsileo ; ny vehivavy dia avy any an-danitra fa ny lehilahy no avy ety an-tany. Manana anjara ho mpanelanelana ny olombelona amin'Andriamanitra noho izany ny vehivavy. Eo amin'ny fomba malagasy dia manana ny hasiny ny vehivavy, misongadina kokoa izany amin'ny fahaterahana, ny famoràna, ny sambatra ary ny fandroana. Ny fanjakana nisy teto Madagasikara dia nampihatra ilay atao hoe fanjakana harindra izay mifototra amin'ny vehivavy. Ny fitondrana nifandraharahana tamin'ny vehivavy dia nahitana filaminana. Andrianampoinimerina no isany nandrara ny famonoana vady na vehivavy...
Ny politika ho an'ny Eglizy dia mifototra amin'ny baiboly. Misy fisarahana ny fahefana pôlitika teo amin'ny Eglizy sy ny fanjakàna, ohatra amin'ireny ny toeran'i Cesar sy Andriamanitra. Mazava ny politika ho an'ny Eglizy, ireo mikasika ny famonjena ny olona ary tsy miantefa ho an'ny vondron'olona fa ho an'ny rehetra ; tsy toa izany ny an'ny fitondrana fa raharahan'antokon'olona. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nifarana omaly alahady ny Sinaody kaontinantaly, izay notanterahana tany Addis-Abeba, Ethiopie. Fotoana niarahan-dia marina tokoa, nandinihana ny fiainan'ny Eglizy... ♦ Notsofin-drano sy natolotra tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Birao Mpanatanteraka eo anivon'ny VDKT, ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Miaina ny finoana amin'ny fiainana andavanandro, io no fanentanana natao ho an'ny tanora ao amin'ny Secteur Androna, nandritra ny recollection amin'izao Karemy izao...
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco