Zary lasa fomba fanao ao amin’ny Oratorio nanomboka ny taona 2010 ny afon-dasy.

Fomba amam-panao avy amin'ny firenen-kafa nentin'i Mompera Baingio Luigi Maresu na i mompera Gigi ho fanombohana ny taona k any 01 Janoary no natanterahana izany. Hita fa nety tamin'ireo tanora sy mpino kristianina ny fanaovana izany hetsika izany.

Andro maneran-tany ho an'ny fandriam-pahalemana sy fiadanana ny 01 Janoary, koa zava-dehibe ny famakiana ny hafatry ny Papa amin'io andro io ho entina misantatra ny taona vaovao. Ny lohahevitry ny hafatry ny Papa François tamin'ity taona 2020 ity dia nifantoka tamin’ny hoe: ny "Fiadanana, lalan'ny fanantenana : Fifampiresahana, fampihavanana ary fiovana ekolojika".

Nisy fizarana dimy ny hafatry ny Ray Masina tamin’ity taom-baovao 2020 ity. Ny voalohany, dia ny "Fiadanana sy ny lalana tokony aleha manoloana ireo sakana sy fitsapana"; ny faharoa, "Fiadanana amin'ny fomba fihainoana mifototra amin'ny fahatsiarovana, firaisan-kina sy firalahiana"; ny fahatelo, "Fiadanana, lalan'ny fampihavanana amin'ny fifandraisan’ny mpirahalahy"; ny fahefatra, "Fiadanana, lalana mankany amin'ny fanovana ekolojika"; ary ny farany dia "Fahazoana izay antenaintsika". Narahana horonan-tsary avokoa ny fanehoana ireo fizarana ireo.

Hira sy dihy ary fanentanana maro samifaha no nentina nanafana ny fotoana tamin'io andro io, ka ny ankamaroan’ny seho tamin'izany dia mahakasika ny fandriampahalemana avokoa. Tao anatin'izany ny fandraisana anjaran'ny chorale voix du Carmel, ny vondrona dihy Rianala, ary ny All DC sy izay nandravaka ny afon-dasy tamin'ity taona ity. Teo ihany koa ny fizarana Tenin'Andriamanitra sy Kalendrie ho an'ireo izay nanotrona ny fotoana tamin'io. Eny fa na dia vanim-potoana fahavaratra tokoa aza dia tsy nanakana ny olona ho tonga izany, anisan'izany ny SDB, FMA, Sœur de la Fraternité Contemplative, Postulants, olon-dehibe, ny tanora ary koa ny ankizy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...