Alatsinainy 19 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42

Manoloana ireny zava-mitranga etsy sy eroa miseho eny anivon’ny fiaraha-monina, toy ny loza na mety ho fahasoavana eny amin’ny fiainana andavanandro ireny, dia hita fa mora liana ny olona te hahita mivantana sy satria aleo hanatri-maso izy ireo toy izay hitantarana. Fa ho an’Andriamanitra kosa, tsy mba toa izay, fa ny masom-pinoana no hijerena sy hitarafana ny fisiany sy ny fitiavany, fa tsy dia ny famantarana loatra. Satria tsy ny fahamaroan’ny famantarana na ny fahitana ny famantarana mampitolagaga anefa no miteraka sy mampitsimoka ny finoana sy manentana antsika hibebaka fa ny fananana fo misokatra sy fahavononana ombam-paniriana handray ny hafatr’Andriamanitra, izay torian’ny olona irahiny.

Hazavain’i Jesoa bebe kokoa izany, ary raisiny ho vavolombelona ho antsika mihaino azy ohatr’ireo olona tany Niniva. Nirahin’Andriamanitra hitory tamin’ny vahoaka tao Niniva i Jônasa, fa ho ravana i Niniva, satria tafahoatra ny fahotan’ny vahoaka tao. Indray mandeha monja anefa i Jônasa no tonga tany amin’izy ireo, nandalo fotsiny aza, satria dia namakivaky ny tanàna fa tsy nijanona nitory ny hafatr’Andriamanitra. Rehafa nandre ny toritenin’i Jônasa ny mponina dia nibebaka ka niova fo nanaraka ny lalan’Andriamanitra. Koa raha fandravàna no nandrasan’i Jônasa ho an’ity tanàna rakotry ny fahotana ity, dia famindrampo kosa no nasetrin’Andriamanitra ny fibebahan’izy ireo. Toa mampahatsiahy antsika ny tenin’i Masindahy Augustin hoe : "Mora ho an’Andriamanitra ny mitana ny hatezerany fa sarotra ho an’Andriamanitra ny mitazona ny famindrampony". Tsy ny asa tokoa no handidiana ny lalàna hoy i Masindahy Paoly fa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Ry havana, vavolombelona faharoa raisin’i Jesoa tao amin’ny Vaovao Mahafaly androany, entiny manambara fa tsy ilaina ny famantarana ho an’izay olona mahay mandinika ny zavamisy satria ao amin’izy ireny Andriamanitra, ilay Mpanjaka avy any Atsimo. Tsy nisalasala izy nanatona an’i Salômôna mba hihaino ny fahendreny satria mino izy fa avy amin’Andriamanitra izany ary mila an’izany koa izy. Tsy ny famantarana hita maso na azo tsapain-tanana àry, no zava-dehibe amin’Andriamanitra fa ny finoana sy ny fanekena azy, no hahazoana famonjena fa ny fandavana azy kosa no andovantsika ny fahafatesana.

Omeo finoana izahay hankahery anay malemy. Fa tsy misy tsy azo atao ho an’izay rehetra mino. Ka noho ny teninao ry Tompo dia efanay ny sitrakao. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...