Sabotsy 10 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavataona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33

Ry kristianina havana, ny fakana tahaka ny mpampianatra no ahalalana ny mpianatra. Nitory tsy amin-tahotra i Jesoa ; izany koa ny toetry ny mpianatra. Natoky an’Andriamanitra Ray tanteraka Izy ka na nijaly sy maty dia nitsangana ; izany koa no lalana voasoritra hizorantsika.

Averin’i Jesoa in-telo amin’ity Evanjely ity ny hoe "aza matahotra". Ho Azy manko, toy izany koa ny antsika, dia eo Andriamanitra ary miasa, tsy mamela ny zanany ho irery. Ny voro-manidina sy ny ahitra eny an-tsaha aza ahiany, tsy mainka ve fa isika olombelona izay endriny, indrindra ny kristianiana zanany tiany ! Fitokiana tanteraka an’Andriamanitra no angatahana amin’izany ; Andriamanitra izay afaka mamono sy mamery mandrakizay ihany no tokony hatahorana.

Manome toky sy antoky ny famonjena mandrakizay i Jesoa ho an’ireo maharitra hatramin’ny farany. Izy Jesoa Kristy mihitsy no hiaro eo anatrehan’Andriamanitra Ray. Izany rahateo mihitsy Izy : Mpanalalana mandrakizay. Mitoria ; matokia. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...