Misedra fahasahiranana ny tantsaha ao amin'ny Faritr'i Menabe. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra. Ny vokatra miha-mitotongana noho ny tsy fahampian'ny rano entina anondrahana, indrindra ho an'ny tanimbary...

Tsy mbola mivaha ny olana omba ny tambazotra manondraka ny lemak'i Dabara. Miraviravy tanana ny mponina eny ambanivohitra manoloana izany hoy Andriamatoa Rakotomalala Jean Anjarasoa Raoul na Raoul'jy, filohan'ny Fikambanana VMMF (Vahoakan'i Menabe Miray Fo).

Andohalika ny ranombary ankehitriny, ka mitaraina amin'ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ny VMMF. Tsy mitsahatra miantso vonjy amin'ny tompon'andraikitra mahefa aty amin'ny Fanjakàna foibe hijery akaiky sy hamaha ireo olana mianjady ny tantsaha ao Menabe ireo.

Ankohatra ny fitanterana ny feon'ny tantsaha eto an-drenivohitra, mba ho henon'ny tompon'andraikitra samihafa ny zava-misy iainan'ny mponina ao Menabe, dia mikaroka ny fomba hanampiana sy hamahàna ny olan'ny tantsaha ihany koa ny VMMF hoy ny filohany Rakotomalala Jean Anjarasoa Raoul na Raoul'jy, ka amin'ny alalan'ny fampiofanana samihafa no hanehoana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...