Noroahan'ny tompon'ny orinasa niasany i Radezy sy i Tolotra satria noho ny tsy fahafahan'ireo mpampiasa manohy ny fitantanana. Sahiran-kevitra i Rasendra sy Radezy vadiny ny amin'ny asa tokony hatao indray mba ho fidiram-bola. Nahita asa i Tolotra ka mpiandry tanàna no andraikitra amin'izany, ary nandeha nihaona tamin'ilay olona mpampiasa izy ireo. Trano vao nahorina no misy eo amin'ilay toerana iasan'izy mianaka, ka fitaovana sy ankora hanohizana ny fananganana trano no andrasana ao. 

I Sahondra sy Ndriana dia ankohonana kely sahirana, ary toy ny omby mahia tsy lelafin'ny namany dia tsy mba tian'i Nary anadahin'i Sahondra mihitsy ry zareo, na izany aza dia niezaka nanatsara ny fiainany izy mianaka, namboly sy niompy. Raiki-pitia tamin'ny Felana zanak'i Mamy kosa i Ndriana, sadaikitra ihany ny reniny noho ny filazany fa tia an'i Felana izy, noho izy olona mahantra nefa i Felana zanaka mpanakarena.

Mpifankatia mpivarotra voninkazo, fandravahana toeram-pilanonana sy fety isan-karazany ary fanao amin'ny fahoriana, i Benja sy Lisy. Mpinamana akaiky i Benja sy Pôta, nahita hevitra hanatsarana ny fidiram-bola amin'ny tokan-tranony avy izy roalahy, dia halatra voninkazo. I Bako sy ny Nenitoany dia mpianaka tia mikarakara voninkazo sy sarotiny amin'ny voly nataony, isan'izany ny voninkazo raozy.

Fizarana lova eo amin'ny samy mpiraitampo no tena fototra iaingan'ity tantara ity, ka misy ireo te hangoron-karena avy amin'izany ary mitady tetika sy fomba hahazoana betsaka izy ireo toa an'i Ramamy mivady sy i Sophie mianaka. Izany hoe eo amin'izy ireo foana no tena misy ny olana, hany ka lasa mampifandrafy azy ireo izany. Rehefa izay dia samy nampiasa hafetsena i Sophie sy i Solenze ka nadrokodroko an'i Mama Sera, izay zokiolona eo amin'ny fianakaviana mba hiandany amin'izy ireo. I Sophie tonga niresaka tany an-tranony mangingina mihitsy fa ny an'i Solenze nataony resaka an-telephone. 

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...