Mpiasa an-trano i Liza ary fianakaviana efa-mianaka no mpampiasa azy. Nandeha nitsangatsanga mba hialavoly izy efa-mianaka ; noho ny tonga tamin'ny toerana nokasaina haleha dia nanapa-kevitra ny hizara roa hitsidika toerana samihafa. Niaradia ny rainy sy i Ravo,  fa nisafidy lalana hafa i Rova sy ny reniny ; teny an-dalana hizaha rian-drano ireto farany no nisy tranga hafahafa satria nanjavona i Rova, izay tsy nahitàna fanazavana. 

Mpampianatra mipetraka irery i Fenitra. Hariva izy vao nanidy trano indray andro, sendra  an'i Tojo izay nisy namono, ary namonjy an'io lehilahy io izy. Notsaboin'i  ny ferin'i Tojo. Mitebiteby Ingahy Ratrema sy Ramatoa Ramary ray aman-drenin'i Tojo, na efa nilaza tamin'ny mpitandro filaminana aza izy ireo. Rehefa nahatsiaro tena i Tojo dia gaga nahita ny manodidina azy izay trano hafa mihitsy, fonenan'i Fenitra. Tsy navelan'i Fenitra hivoaboaka i Tojo sao ho hitan'ireo jiolahy namono azy.

Toerana lavitry ny fandrosoana ny tanànan'Ampahitromby : anjakàn'ny dahalo mpangalatra omby. Nanapa-kevitra ny handrafitra paik'ady hiarovana ny tanàna ny filohan'ny fokontany sy Ingahy Raleva. Naharay taratasy avy amin'ny dahalo Ingahy Raleva fa ho avy handroba ny ombiny. Araka ny voalazan'ny taratasy dia 30 lahy mirongo fitaovam-piadiana ireo dahalo no ho avy handroba, ary nampandreha ny Fokonolona ny filohan'ny fokontany sy Ingahy Raleva mba hiarovana ny tanàna.

Mpifamofo i Miaro sy Ramatoakely Tina. Nisy nanafika ny toerana misy an'i Tina ary voatifitra ity farany. Niasa saina noho ny tranga nisy i Miaro izay mpitam-bola amin'ny banky iray. Rehefa nanao fanadihadiana fohy ny mpitandron'ny filaminana dia nahatsikaritra fa ny laharan'ny finday an'i Miaro no hita farany tao amin'ny findain'i Tina ary izay no antony niahiahian'ny pôlice azy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...