Mpìrahalahy samy mìaramila mpanao "vy very ny ainy" i Maharo sy i Harivelo. Nisy ady an-trano tany Mali, ka nalefa hanatevina ny miaramila misatro-mangan'ny Firenena Mikambana tany any izy roalahy. Nisy nanafika anefa ny toby nambenan-dry zareo ka maty voatifitra i Maharo. Nalahelo sy very hevitra i Harivelo sady tsy foiny ny zandriny, hany ka niantso ny fanahin'i Asmodée (demony) izy mba hiditra ao amin'i Maharo ka hamelona azy indray. 

Nampitsambadika ambony ambany ny tantara teo amin'ny tokantrano roa samy hafa : sahirana sy nanana ny ampy ny fisafotofoton'ny rivo-piainana. Antony nampiezaka mafy an-dRakoto sy Rasoa hampianatra ny zanany lahitokana ny fahantrana nianjady tamin'izy ireo. Nampivoatra ny fiainan'izy telo mianaka ny fahatratraran'io menaky ny ainy io ny tanjona... 

Mpisakaiza fony fahazaza i Samy sy i Faneva ary i Mlle Fanilo. Tsy mitovy fari-piainana anefa izy teo ireo fa i Samy zanak'olona antonontonony, i Faneva sy i Fanilo kosa dia isan'ireo zanaky ny mpanan-karena eo amin'ny tanàna misy azy ireo. Taty aoriana dia nifankatia i Samy sy i Fanilo ; nisedra olana izy roa satria velom-pialonana i Faneva ka nitady ny fomba rehetra anapahana ny fifankatiavan'izy ireo... 

Mpamongady i Rabary manan-kareny isan-karazany. Noresen'i Ramatoa Vola lahatra i Rabary mba hividy tanimbary any ambanivohitra, ary ny tanin'i Siza, zandrin'i Rabary ihany no heverina ho vidiana.  Tsy salamana Razafy rain'i Rabary sy Ramatoa Siza ka izay no nararaotin'i Ramatoa Vola mba hafahana mividy ireo tany lova, satria olona sahirana io anabavin'i Ngahy Rabary... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...