Fianakaviana tsotra no misy an'i Vero sy Tina. Niady hevitra ny fomba hanatsarana ny fanabeazana ny zanak'izy ireo i Rasoa sy Randria. Nandresy lahatra an'iireo zanany roa vavy i Rasoa reniny mba tsy hanafina izay olana misy eo amin'ny fianan'izy ireo, na ny fandaharam-potoana any an-dakilasy fotsiny aza. 20 taona taty aoriana dia nifankahita indray i Tovo sy Rasoa izay vadin'i André. Mpinamana akaiky hatramin'ny mbola kely i André, Tovo ary i Rasoa. Nitamberina tsikelikely ny zava-nisy, indrindra ireo fiainam-pitiavana tamin'ny fahatanoràna satria nifankatia i Rasoa sy Tovo... 

Nifamaly i Rainibango sy Rabetokontany satria sarotra ny fitantanana ny rano hanondrahana voly sy tanimbary, tao amin'ny tanànan'Antsampanana. Nifampikasin-tanana izy roalahy ary naratra vokatr'izany i Rabetokontany, nitaraina tamin'i Ramatoa Ravero vadiny izy. I Rabetokontany no filoha mpitantana ny rano fanondrahana ny tanimbary, sady nifamaly matetika amin'ny mpikambana izy no nanodikodina ny volan'ny fikambanana. Nifampitory teny anivon'ny Biraom-pokontany i Rainibango sy Rabe.

Eo am-pikarakarana ny mariaziny i Njato sy Miangola, ary efa voazara ny fanasana ho an'ireo nasaina, iray volana mialoha. Diary sy Njato dia mpinamana akaiky ary niara-niaina tao Antsirabe ; nahavita fianarana tany Antananarivo i Diary ary nitady asa tao amin'ny Njato. Nisy boky fandalinana "Magie Noire" novakian'i Njato sy Diary tamin'ny mbola mpianatra teny amin'ny Lycée. Andriamatoa Fidy no ray niteraka an'i Diary, raha mbola teo am-piresahana izy mianaka dia naharay antso fa tra-doza i Njato.

Maty vao tsy ela ny renin'i Fitia, rehefa notsaboina nandritra ny fotoana naharitra. Nihidram-bola tany amin'Ingahy Robert ny fianakaviny niatrehana ny fitsaboana ary very hevitra izy mianaka mba hamerenana izany. Nanapa-kevitra ny tsy hanohy ny fianarany i Fitia fa hanampy ny rainy. Niasa tao amin'i Ramatoa Vola, nanao ny asa fanadiovana sy fakana rano ary ny fanasan-damba. 

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...