Mpifankatia i Aro sy i Realy nanana olana ara-pitiavana noho ny fifandraisana tamin'i Vola. Nandratra an'i Realy ireo fifaneraserana nisy taminy sy i Aro, nanery ny fony sy ny tenany hanalavitra an'i Aro i Realy. Nisara-toerana i Realy sy i Nandrianina zandri-vaviny, satria te hanalavitra an'i Aro i Realy. Efa nisy fifanarahana vita, taloha, eto amin'ny ray aman-drenin'i Aro sy Vola fa haroso amin'ny fanambadiana ireto zanany rehefa tonga amin'ny taona sahaza azy ireo... 

Mpanoratra tononkalo miavaka kely i Nofy. Nahaliana tanteraka an'i Rado ny tononkalo nosoratan'i Nofy, ary ilay amboara tononkalo mirakitra ilay hoe "Hatsarana miafina" no tena nasarika azy. Rehefa nifanazava ny fahazoana ny voarakitra tao anaty asa-soratra izy roa dia nanao ireto fanamarihana ireto hoe : miresaka ny fahorian'ny mpanoratra ilay tononkalo, fitaovana afahan'ny mpamaky sy mpanoratra mitafa, andinin-tsoratra mampitraka raha sendra ady sarotra... 

i Miandra dia isan'ireo zaza tsy niaina tao anatin'ny fahantrana sy ny fiafiana, teo am-pamakiana boky vitsivitsy izy indray andro noho ny efa lehibe, ireo no nisarika ny sainy sy ny fony handinika ny fiainana efa niainany. Rehefa hijanona tsy hamaky ireo boky izy no nisy takelaka hitany latsaka tamin'ny tany, nahitany tononkalo mitondra ny loha-teny hoe "Fangarom-piainana". Io tononkalo io dia mirakitra hevitra hoe ny fiainana dia misy fifaliana, misy fahoriana sy ny toloko... 

Nipetraka tao amin'i Rado sy Bodo, i Mialy, zanaky ny anambavin'i Rado. Nanaovan'i Bodo toetra ratsy i Mialy, nampanaoviny asa an-trano maro tsy an-kihato : tondraka voninkazo, fividianana ireo kojakoja an-dakozia. Niezaka nanafina ny zava-nisy i Mialy na mankarary ny fony azy ny fifandraisany amin'ny Bodo ao an-trano. Nisy fotoana voatenin'i Onja fa ampanaovin'ny reniny asa be loatra i Mialy ary somary niahiahy i Rado. Noresen'i Bodo lahatra i Onja ary nanaiky ny haneho toetra ratsy amin'i Mialy... 

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...