Nafindran-dreniny toeram-ponenana hitady asa i Joany kely noho ny tsy fifankahazoan'izy sy Antoine zokiny. Sarotra ny nitady asa kanefa niantra azy ihany ireo fianakaviana Moglia. Tao kosa nefa no nanehoany ny fiainany ny finoany.

Eny am-pandehanana mizotra mihazo an'i Mananjary hatrany no ifandimbindimbiasan'ny fitantaran'i Line ny fiainany tany Sina, sy ny fitantaran'i Nandrasana ny lazan'ireo toerana lalovan'izy ireo.

Namolavola ny fiainan'i Don Bosco manontolo ny nofiny fony izy sivy taona. Azo lazaina fa isan'ny tena nanamarika ny fiainany ihany koa io nofy io, satria tamin'ny alalan'io nofy io, no nahafantarany manontolo, ny làlana hombany, taty aoriana.

Mitohy hatrany ny fizaran'i Line ny tsiambaratelony amin'i Noro. Nametra-pialana tao amin'ilay hopitaly niasany i Line Bordas, ary eo am-pikarakarana ny taratasy hiverenany any Frantsa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...