Tonga soa aman-tsara tao Mananjary i Line Bordas sy Noro. Mbola nanatitra azy tany amin'ny tranom-bahiny i Noro. Nitohy ny fitantaran'i Line ny tantarany: Line Bordas, tsy mba ninono tamin-dreny niteraka.

Niely eran'ny tanàna ny lazan'i Don Bosco. Tao anatin'ny fotoana fohy monja no nampiroborobo ny fikambanana naoriny. Nianatra asa tao amin'ny trano fanetezam-bolo iray i Charles no nifanena tamin'i Don Bosco. Voataonany ho any amin'ny Oratorio avy hatrany.

Hifanojo indrindra amin'ny fahatongavan'i Line Bordas sy i Noro any Mananjary ny fotoanan'ny " Sambatra".

Niady nifampitolona hila hifandratra mihitsy ny tovolahy roa mpikarama manadio kiraro eny amoron-dàlana fa hoe tena tian'i Don Bosco kokoa. Soa fa nandalo indrindra i Don Bosco nandrava ny adin'izy ireo sy namerina ny finamanan'izy roa lahy indray.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...