Rafaly dia olona mpanankarenaa sady nanana Orinasa iray izay, nanao tsinotsinona ireo mpiasa madinika rehetra tao amin'ny Orinasany sy ny Fianakaviany ary ny mpiara-monina taminy. Nisy tovolahy iray niasa tao amin'ny orinasany, i Rado no anaran'io tovolahy io, tena olona nazoto niasa tsara izy saingy niaran'ny tsindry hazo lena ko aka voaroaka. Fanampin'izany koa anefa taty aoriana dia nanakarama olona hamono an'i Rado i Setra zanak'i Rafaly satria fantany fa i Rado no miaraka amin'ny  Seheno anabaviny.

Voahiraka hiasa hanao asa fitsaboina tao amin'ny Fokontany Tsarahonenana i Docteur Benja. Noro sy Suzie no tovovavy nifanerasera voalohany tamin'i Docteur Benja, ary tsikaritr'ity farany fa na saro-kenatra aza i Suzie dia mahasarika azy ihany. Sendra be olona tsaboina i Docteur Benja indray andro, tsy nanam-potoana hikarakarana sakafo izy ka tafaresaka tamin'i Suzie, nanomboka teo izy roa dia lasa nifankahazo sy nifanampy ; Docteur Benja nitsabo ny renin'i Suzie, ary ny fianakavian'i Suzie mikarakara sakafo araka izay vita ho an'i Docteur.

Mpinamana efa hatramin'ny ela i Mahandry sy Ethan. Niverina teo an-tanindrazana i Ethan rehefa nahavita fianarana ho psychiatre ka niara-nipetraka izy roalahy. I Mahandry tia an'i Raitra, i Ethan latsam-pitiavana tamin'ny Joy. Tsy fantatra anefa ho tanteraka ihany ve ny fitiavan'izy ireo avy. Marary saina mantsy i Raitra, ary miankina amin'ny tsy fahasalamany koa ny fitiavan'i Ethan sy Joy.

Bruno dia zanak'olona, azo lazaina fa zanaka tsara taiza. Nanampy ny reneny tamin'ny findrosoana ny sakafo i Bruno nandritra ny fetin'ny faran'ny taona, tsy nitombon-tsaina anefa izy fa nosembanin'ireo namany, hoe handeha hivoaka hamonjy alim-pandihizana. Tsy nanaiky ny handehanan'i Bruno any amin'ilay alim-pandihizana ny reniny fa mampiahiahy ny fahazoan-dalana mikasika io lanonana io. Nandeha antsokosoko ihany i Bruno na efa norarana aza.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...