Eny am-pandehanana mizotra mihazo an'i Mananjary hatrany no ifandimbindimbiasan'ny fitantaran'i Line ny fiainany tany Sina, sy ny fitantaran'i Nandrasana ny lazan'ireo toerana lalovan'izy ireo.

Namolavola ny fiainan'i Don Bosco manontolo ny nofiny fony izy sivy taona. Azo lazaina fa isan'ny tena nanamarika ny fiainany ihany koa io nofy io, satria tamin'ny alalan'io nofy io, no nahafantarany manontolo, ny làlana hombany, taty aoriana.

Mitohy hatrany ny fizaran'i Line ny tsiambaratelony amin'i Noro. Nametra-pialana tao amin'ilay hopitaly niasany i Line Bordas, ary eo am-pikarakarana ny taratasy hiverenany any Frantsa.

Nahitan'ilay dokotera mpitsabo teo an-tanàna làlana i Fifi. Hiasa amin'ny tera-tany vahiny naman'ilay dokotera, ary mety ho afaka hanohy ny fianarany indray raha mifanaraka amin'ireo vahiny.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...