Tsy mbola namboraka ny zava-nanjo azy tamin’ikaky Rakonka mianaka i Anja. Nanomboka teo dia tebiteby sy ahiahy lava no niainany isan’andro. Hisy fampinomam-be hotanterahana ao an-tanàna, hanafoanana ireo izay mikasa hanisy ratsy na hanao toetra tsy mendrika amin’ny mpiara-belona aminy. Anisan’izany i Anja efa noahiahian’ny iray tanàna ho mpamosavy. Tsy andriny ny fotoana, hanaporofoany amin’ny olon-drehetra fa olo-marina izy.

Nandaitra ny sary mihetsika  nifanarahan'i Ranja sy Tiana, i Ranja miaro ny rambony tsy ho tapaka, i Tiana manantena ny hamokaran'ny tambin'ny fanginany. Niangavy tamin-drainy i Mialy ny tsy handroahana an'i Tiana fa ny mba hitazonana azy ihany. Mahamahana nefa i Rivo fa tena misy zavatra hafenin-dRanja mihitsy. Tonga i Razay haka ny anjarany nifanarahany tamin'i Ranja, ary tsy manaiky fa nandrahona mihitsy raha tsy manatanteraka izany ao anatin'ny fotoana voafetra i Ranja.

Nifanao fotoana teny Ambodiriana teny ambany antsinanan’ny tanàna i Anja sy Setra hifanomezan’izy ireo valin-teny ny amin’ny fikasan’i Setra hanambady an’i Anja no nisy jiolahy nanafika. Nasain’ireo jiolahy nihataka i Setra fa i Anja no nohodidin’izy ireo hosamborina fa mpamosavy hono. Nitebiteby fatratra ny amin’ny tsy fahitana an’i Anja ikaky Rakonka sy Leva.

Nila hevitra tamin'i Haja i Ranja fa tafahoatra tanteraka ny valifatin'i Tiana ataony aminy. I Rivo sy Mialy efa tsy tia intsony ny hijanonan'i Tiana ao an-tokantranon'izy ireo, saingy tsy maintsy manao izay hitazonana azy i Ranja ho vidin'ny fanginany. Fantatr'i Ranja fa i Haja no nampamono an'i Rivo, ary nampitandrina azy izy fa tsy ataony vitavita mora foana raha maninomaninona ny vadiny. Nampitandrina an'i Ranja i Rivo fa tsy maintsy roahana i Tiana noho ny gafy sy ny zavatra tsy mety rehetra ataony ao an-trano. Notambazan'i Ranja volabe i Tiana mba handeha saingy tsy nanaiky izy. Manaiky izy raha vitan'i Ranja ny mandresy lahatra an'i Haja ho tia azy. Sahiran-tsaina fatratra noho izany i Ranja.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...