Zoma 17 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3

Ilaina ny fifaneraserana amin’Andriamanitra, amin'i Jesoa satria ny fiainana ao Aminy no zaraina amin’ny hafa. koa rehefa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra i Jesoa dia nanaraka Azy ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy sy ireo vehivavy nositraniny tamin’ny fanahy maloto sy ny aretina. Tonga fanovozana hery sy hafalina ho azy ireo ny fiarahany tamin'i Jesoa. Vaovao Mahafaly no andikana ny Evanjely ary ny momba ny Fanjakan’ny Lanitra no ambara ao. Ho toy ny lalivay eo amin’ny fiainan’ny izay mihaino azy sy miaina azy ny Evanjely, hany ka ny olona mandray azy dia tonga mamy hoditra eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. I Jesoa mihitsy no Evanjely na Vaovao Mahafaly ho an’izay mifanerasera Aminy. Ny Apôstôly sy ireto vehivavy sasantsasany ireto nanaraka an'i Jesoa, nihaino ny teniny. Io teniny io no namolavola azy ireo, nanasitrana sy nahafahana nandroaka ny fanahy maloto tamin’ireo vehivavy ireo.

Fa mila ny fanampian’ny hafa koa ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Nanampy tamin’izany ireto vehivavy ireto tamin’ny alalan’ny fahafoizany ny fananany. Ny olona rehetra no antsoina hifarimbona amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, dia ny Evanjelin’ny Fanjakan’ny Lanitra na amin’ny alalan’ny teny ambara sy zaraina na amin’ny alalan’ny fampitaovana ilaina hanamorana izany asa fitoriana izany. Asan’ny Fiangonana no mitory ny Vaovao Mahafaly mba hanova ny tontolo ho araka ny sitrapon’Andriamanitra sy ho tontolo mahatehonina ; ahafahana koa mamonjy ny olona rehetra na dia amin’ny faritra antsoina hoe lavitr’andriana aza. Hohaintsika anie ny hifaneraseara amin'i Kristy mba ahafahantsika mizara Azy amin’ny hafa. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...