Alatsinainy 2 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21

Nitokana samy irery any an’efitra i Jesoa mba hivavaka. Modely ho antsika Izy amin’ny resaka vavaka fa na Andriamanitra aza Izy mbola mivavaka, koa mainka fa isika olombelona fotsiny, tena mila mivavaka mihitsy. Ilaina ny mivavaka, mitokana mangina, miditra any an’efitra tsy voakotaban’inona na inona, tany hay, maina fa tsy amin’ny kotabataba no ahitana an’Andriamanitra. Koa raha mitabataba isika any am-piangonana na samy miteny izay vavaka tiany hatao ka lasa tsy ifandrenesana dia tsy miditra an-tany efitra toy ny nataon’i Jesoa ka tsy hahita an’Andriamanitra velively, tsy mivavaka izany ! Koa tandremo sao voafitaka. Marihina etoana fa tsy ny tabataba ivelany ihany no tsy mety, fa ny ao anaty koa. Izany hoe ilaina mangina na atiny na ivelany ho efitra marina tokoa.

Rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy : ny atao mahasarika. Fa izany tokoa no manara-dia an’i Jesoa : manaraka izay ataony rehetra. Moa va tsy toy izany no ataontsika rehefa mankany am-piangonana, na amin’ireny fihaonan-dehibe amin’ny antanan-tohatra isan-karazany ireny : miainga avy amin’ny samy misy antsika avy any avy ho amin’ny toerana iray mba hihaona amin’ny Tompo. Dia aza kamo fa ilaina ny mamonjy ireny, tamin’ny fihibohona aza efa tsy fidiny, ka aza kamo, aza taman-dratsy. Aoka ho vahoaka mandrakariva no hamonjy ireny fa tsy olona maromaro fotsiny, ny hazo tokana tsy mba ala, ny tondro tokana tsy mahazo hao, ny olon-tokana tsy mba vahoaka. Nangoraka mandrakariva i Jesoa rehefa mahita vahoaka betsaka, toy ny hitantsika eto, ka aoka tsy ho isika no tsy hampangoraka Azy satria misakana ny manodidina sy ny hafa tsy hamonjy ireny. Modely ho an’ny kristianina ny fo mangoraka sy miantra, mahalala ny hirifirin’ny hafa sy ny manjo azy ireny.

Manaraka izany, maneho ny toe-tsaintsika olombelona ny ataon’ny mpiantra eto : mahamaika azy ny handrava, tsy mitady vahaolana akory fa izay moramora sy tsy mananosarotra ; matetika anefa avy amin’ilay ratsy ireny. Koa izay mpandrava na mpampisaraka amintsika, aoka handini-tena sy hibebaka ka hiova amin’izany. Ny Corona no toy izany fa tsy isika. Fa mifanohitra amin’ny fomban’Andriamanitra izany : mazava ny an’i Jesoa eto : "Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.” Midika hoe : manangona, mampivondrona. Raha tsorina dia hoe : ny olona manaparitaka fa Andriamanitra kosa mampiray, mampiombona. Ka iza amin’ireo no fanaontsika ? Aoka hatao ho vaindohan-draharaha ny tsy mihataka amin’Andriamanitra mba hahafahana miombona amin’ny manodidina. Amin’izay ho mora ny hanome izay ananana mba hampitomboin’Andriamanitra, toy ny hita eto amin’ity Evanjely ity, na kely io na lehibe. Fa tsy mety ny tsy mahafoy ho Azy, ny kahihitra ihany mantsy no lany be matetika. Tsarovy ny hirantsika hoe : "Izay manome sy mizarazara ny kely eo an-tanany ho an’ny hafa, mihary lova soa tsy mety simba”. Andriamanitra mantsy rehefa manome dia izay hahavoky ny vahoakany. Koa aza miandry mana avy any an-danitra fa mahaiza manome, na dia mofo dimy sy hazandrano roa fotsiny ihany aza. Dimy ampiana roa manome fito : mariky ny fahafenoana izany ! Koa mahereza àry ny amin’izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...