Zoma 2 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 14-17

Ry kristianina havana ! Amin’ny endrika fanoharana hatrany no hampianaran’i Jesoa antsika ary dia ampitainy amintsika fa tokony hifanaraka amin’ny fampianarany izay omeny antsika isan’andro ao amin’ny Vaovao Mahafaly ihany koa ny fiainantsika, izany hoe tokony hihavao mandrakariva noho ny Teniny. Toy ny ampakarina ny Fiangonana miantso an’i Kristy ilay mpampakatra hoy ny voalazanan’ny Boky fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany (Apok. 22, 17) ary izay indrindra no tian’i Jesoa ampitaina amin’ireto mpianatr’i Joany ireto. I Kristy no mpampakatra izay lohany ao amin’ny Fiangonana ary isika no ampakarina satria, toy ny vady malalan’i Kristy ny Fiangonana izay nahafoizany ny ainy ho fitiavany azy. Sabotsy rahateo ny andro, fotoana isan’ny mampisongadina ny fampakarana. Fifaliana mandrakariva tokoa no amin’izany fampakarana izany fa ny fifadiana dia natokana ho an’ny fibebahana sy ny fivalozana. Tsy ny endrika ivelany anefa no anehoana fa tena mivavaka na mifady hanina fa ny fiainana ao anaty ary izany no tian’i Jesoa iainantsika. Aoka mba havaozin’ny Tenin’Andriamanitra mandrakariva ny fiainantsika, indrindra ny Vaovao Mahafaly, ary dia tsy iza fa i Kristy ilay mpampakatra izany. Maro ny fampianarana atolotr’i Jesoa raha tsy hilaza afa-tsy izay efa natolotra antsika teto nandritra ny herinandro vitsivitsy izay. Aza atao toy ny rano atondraka an-damosin’ny ganagana na somidika ambony toy ny menaka fotsiny izany fampianaran’i Jesoa izany fa aoka mba ho latsaka anaty toa tsoka ka hanova ny fiainantsika ho Vaovao dia hifanaraka hatrany amin’izay ampianarin’i Kristy antsika ny fiainantsika. Vaovao Mahafaly mandrakariva àry no atolotr’i Jesoa ho antsika ka fifaliana ny miaina sy manatanteraka azy, koa aoka isika tsy ho mpihaino fotsiny fa ho mpanatanteraka ihany koa ka havaoziny mandrakariva ny fiainantsika.

Jesoa Tompo ô ! Fampianarana maro no atolotrao anay isan’andro koa mitalaho ny fahasoavanao izahay, enga anie izany tsy horaisinay ho toy ny lany andro fa entinay hanavao ny fiainanay isan’andro ary entinay mikatsaka ny fanjakanao. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...