Alarobia 01 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42 — Toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
♦ Nampahafantarina androany ny fisian'ny fanafody voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hitsaboana ireo soritr'aretina mitranga ho an'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Tokony hanatona ny Kaominina ny lehiben'ny Fokontany mbola tsy naharay ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana ho an'ireo sokajin'olona samihafa tokony hahazo izany hoy ny Ministry ny Mponina Naharimamy Irmah...
♦ Nanova paik'ady hizarana ireo fanomezana ho an'ny fianakaviana marefo sy ny zokiolona ny fitondram-panjakana. Niverina niasa amin'ny maha minisitry ny mponina azy Ramatoa Maharamamy Irmah... ♦ Hakatona avokoa rahampitso ny tsena lehibe any Antsirabe dia ny tsenan'Asabotsy sy Antsenakely mba hahafahana mandraraka fanafody. Asa hatao hisorohana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina Coronavirus ao an-drenivohitr'i Vakinankaratra...
Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco