Ireo fomba samihafa entina miatrika ny fihibohana ao an-trano, na eto an-toerana na any ivelany, manerana izao tontolo izao, dia tokony heverina ho mahasoa sy manampy antsika rehetra, izay maniry fivorana hatrany.
Alahady 03 mey 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10 — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.
Voajanahary ho an'ny olombelona ny asa. Mila tiavina sy hajaina ny asa noho izany, mba hampivelarana ny tena sy hampivoarana ny fiaraha-monina : Ny hevitry ny asa ao amin'ny Soratra Masina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.
(29-04-2020) Ilaina ny firaisankina satria ao anatin' ny fotoantsarotra izao tontolo izao.
♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco