♦ Nandefa hafatra ho fankaherezana ny vahoaka Malagasy sy ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, mba hahay hifampitsinjo manoloana ny olana ara-piaraha-monina misy ankehitriny, ary mba hifanaja sy hanaja ny soa iombonana, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nanentanan'ny Papa François ny mpino rehetra, mba hivoaka amin'ny fahasahiranana ka hifoha, hamantatra sy hiarahaba ny Tompo, izay miafina ao anatin'ny toe-javatra mahazatra eo amin'ny fiainana...
28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.
Eo ampamaranana ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana isika ary hiditra amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana ka hanentanana ny olona rehetra mba hiatsara sy hanamafy fototra ny fitiavana an'Andriamanitra. Tsy mety ary voararan'ny lalàna hatramin'ny andron'i Moizy ny miray na matory amin'ny vadin'olona izay vady ara-dalàna. Mifamatotra tanteraka amin'ny didy folo izany, araka izay voatsiahy ao amin'ny didy fahaenina sy ny fahasivy ; ireto farany ireto dia samy miresaka ny filibàna ara-nofo na ny fijangajangàna, tsy ao anatin'ny tokan-trano nahazo tso-drano teo anivon'ny Eglizy sy ara-dalàna. Ezaka ny fanentanana ny tokatrano, izay mbola tsy nahazo tso-dranon'ny Fiangonana mba hiroso amin'ny sakramentan'ny mariazy...
Alahady 27 nôvambra 2022 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! Ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco