Matahotra ny olona tia manambony tena. Matahotra ny vavan'olona manodidina azy izy ; matahotra ny hihoaran'ny hafa. Zava-dehibe ny fikatsahana ny hanana ilay hatsaram-panahy maha bitika satria avy amin'Andriamanitra izany. Zava-dehibe ny mangataka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka mba hanomezany antsika io hatsaraham-panahy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.
Tovolahy kaboty tia fianarana sy tso-piaina i Sedy, anefa dia sahirana ara-pivelomana ihany koa satria sady miasa izy no mianatra. Iray sekoly izy sy i Seheno ary nangataka fanampiana amin'ny lafiny fianarana taminy ity farany. Sadaikitra sy menatra i Sedy hampian-trano an'i Seheno satria tsy dia zarizary ny trano fonenany, i Seheno izay azo ambara fa zanak'olona manana. Zanak'i Ratrema mpanana i Rivo ary isan'ireo olona tia rendrarendra, maniry fatra ny hiaraka amin'i Seheno.
Mpandraharaha amin'ny resaka fitrandrahana arena ankibon'ny tany i Rapanana. Rehefa tsy nahita vokatra firy tamin'ny toerana nanaovany fitrandrahana teo aloha izy dia nahita toerana iray hatao hoe Ampasanjina, kariera vaovao misy vato soa sy sarobidy. Ankohonana iray ao amin'io toerana io ry Rakotroka, liana amin'ny fandrosoana anefa matahotra ny hasin'ny tanàna ihany koa.
♦ Mbola manavao ny fanantenana ataony, mba hanohizana ny vavaka ho an'ny fangatahana ny hanandratana ho olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo, ny raiamandreny eo anivon'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara... ♦ Kristianina manodidina ny 1800 no niatrika ny fihatahana masina tao amin'ny Distrikan'i Brickaville, Kaominina Andovoranto, izay toerana nahafatesan'i Mgr Henri de Solages... ♦ Hofaranana ny 15 hatramin'ny 17 desambra 2022, ny fankalazana ny faha-60 taona niorenan'ny Lycée Catholique Sainte Chantal, Soanierana...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco