Ny fitsipi-pitondrantena dia tokony hanaja famarinana : alaviro ny fanaparam-pahefana, ny fangalarana hetra, ny ala-tahaka eo amin'ny taratasy misolo vola, ny fanovana ny taratasy filazam-pandoavana. Manoloana ny andraikitra raisin'ny tsirairay dia tsy mety ny "asa zara fa vita". Mba hanasongadinana ny soa iombonana dia alaviro ny fandaniana mihoatra ny tokony ho izy. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Nanoso-kevitra ny hamerenana ny "subvention" amin'ny vidin-tsolika, toy ny tamin'ny andron'ny Amiraly Ratsiraka, ny antoko VHT. Nambaran'ity antoko ity fa hanalefaka ny fiakaram-bidy, tsy hiteraka fipoahana ara-tsôsialy izany... ♦ Volamena 6 taonina eo ho eo no naondrantsika tany ivelany, teo anelanelan'ny taona 2017 sy 2019. Mitentina 360 tapitrisa dolara ny vola vahiny tsy tafaverina an-tanindrazana tamin'io fanondranana io, hoy ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Naaton'ny Ligim-paritra 12 amin'ny asany ny Filohan'ny Federasiôna Malagasin'ny Karate...
Alarobia 6 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7
♦ Mbola nijanona ho 500 Ariary ny saran-dalan'ny Taxibe tao an-drenivohitra androany. Mbola tsy nampiakatra saran-dalana ihany koa ny vondron'ireo zotra mampitohy ny manodidina an'Antananarivo, na ny UCTS... ♦ Andro vitsy mialohan'ny fisokafan'ny fiotazana lavanila any Sava sy Analanjirofo, entitra ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjiafana tany Paris, nilaza fa tokony hazava tsara ny fanarahan-dalana amin'ny fividianana ity vokatra malagasy ity...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco