Ny aretina "parkinson" dia aretina mahazo ny selan'ny atidoha, izay mamokatra ny tsiranoka atao hoe "dopamine". Ity farany dia manana ny asa mandrisika ny vatana havitrika. Ny atidoha dia taova mibaiko ny vatana manontolo, ka ilàna fitandremana. Ny sakafo mandrisika amin'ny famokarana "dopamine" : ankondro, chocolat, sésame, zavoka, atody, sakafo vita avy amin'ny ronono. Ny lehilahy no betsaka voan'ny aretina "parkinson", ny salan-tanao dia manodidina ny 60 taona no miakatra. Ny fambara : valabalaka, mihena ny fifantohana, mihena ny fahazotoana manao asa, mihinjitsindritra ny ozatra samihafa, sahirana manetsika vatana, mangovitra ny loha na tongotra na ny tanana rehefa mipetraka, sahirana miteny, miharatsy soratra...
Lohahevitra telo lehibe no nifanentanan'ny lahika teto Madagasikara tamin'ny fankalazana ny andron'ny lahika ny 23-25 septambra 2022. Nivoitra nandritra ny fandalinam-pinoana fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fijoroana ho vavolombelon'ny fahamarinana ny lahika eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ireo lohahevitra telo ireo nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan'Ambatondrazaka, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Asam-pamonjena ataon'ny Lahika
♦ Havan'ny mahantra, io no iantsoana an'i Masindahy Artemide Zatti, Salezianina hasandratra ho olomasina, amin'ny alahady 9 ôktôbra 2022... ♦ Nanatontosa ny fanokafana amin'ny fomba ôfisialy ny taom-pikatrohana 2022-2023, ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nandefa hafatra fiaraha-miory noho ny loza nitranga ny alakamisy teo, nahafatesana olona 36 tao amin'ny akanin-jaza tao Thaïlande, ny Papa François...
Ny fihariana nomerika dia ilàna fahafantarana zavatra maro. Tsy azo lavina intsony fa ny andavanandrom-piainan'ny malagasy dia tsy afaka misaraka amin'ny aterineto. Tsara arak'izany raha mianatra mifehy ireny fitaovana ireny mba hirosoana anatin'ny tontolo mivoatra hatrany. Fandaharana "miaina sy mitia", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco