♦ Hanatontosa ny fivoriam-be ara-potoana fanaony ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny 23 sy 24 nôvambra 2022... ♦ Niroso nandinika ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 androany tolakandro, ny vaomiera manokana misahana izany, teny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Misy ny atrikasa hamaritan'i Madagasikara ny drafitrasany iadiana amin'ireo karazana fitaovam-piadiana nokleary, biôlôjika ary simika...
Rehefa voahaja ireo dingana maro samihafa sy ny fomba isan-karazany mialoha sy aorian'ny fandevenana dia azo antoka ny fiovan'ny satan'ny olona maty iray ho "razana". Aorian'ny fialan'aina ho an'ny olona iray dia tsy maintsy ahirina ny masony, karakaraina ny vatany, izay tonga hatramin'ny fampandroana ny vatana mangatsiaka, fampiankajoana, ny fiandrasam-paty, ny famonosana ary ny fandevenana no mamarana azy. Ny Filofoana dia fanomezam-boninahitra ny olona maty. Ny tsentsin-doloha dia tsipaipaika ara-bola avy amin'ny mpiara-monina hiatrehana ny voina. Ny andro talata sy alakamisy dia tsy andro fandevenana ary ny ora mety dia ny aorian'ny mitatao vovonana...
Taorian'ny Batemy i Jesoa no nanomboka niseho ampahibemaso ary nanatanteraka ny nanirahan'ny Ray Azy, izany hoe nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Ny fihetsik'i Jesoa manaiky ny ataon'i Joany Batemy dia maneho ny fanetren-tena lalina izay toetra anisan'ny hampianarany antsika. Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy Masina isika dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
Mpinamana sy mpiara-miasa i Meda sy Paoly. Mpamily fiara i Meda ary mpanampy azy i Paoly. Nandeha nitady asa izy roalahy rehefa niala tamin'ny asany teo aloha, ka sendra mpampiasa iray antsoina hoe Ra-Jean. Asam-pitanterana olona "bus" no nampiandraiketan'ny mpamiasa azy roalahy. Tsy ara-dalana ny kalitaon'ny fiara fampiasan'izy roalahy ary tsy misy fanajana ireo mpanjifa mihitsy izy ireo. Sarotiny amin-javatra maro I Ra-Jean dadan'i Rova ; nanehoany toetra ratsy ilay tovolahy hatao hoe Solo, naniry ho vinantony, nosedrainy...
♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco