Alarobia 4 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42
Ny Sakramenta dia fitaovana ampiasain'ny Eglizy hanampy antsika hanamasin-tena ary hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny misterin'Andriamanitra Fanahy Masina. Ny Eglizy mihitsy no Sakramenta satria ny Eglizy dia famantaram-pamonjena mitarika antsika mankany amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpitarika ao aminy.Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
Tamin'ny taona 1815, ny 15 aogositra, izay fetin'ny "Asomption" na ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra no teraka i Jean na Joany, izay tsy iza fa i Md Bosco, tao amin'ny tanàna iray anatin'ny Firaisan'i Castelnuovo d'Asti, 27 km miala eo amin'ny renivohitr'i Turin ao Italie. Margueritte Occhiena no reniny ary François no rainy. Telo mirahalahy ny zanak'i François : Antoine, Joseph ary Joany...
Raha tombanana sy fintinina tsotra dia tsotra ny amin’ireo resadresaka sy fanontaniana ary valiny, teto amin’ny fandaharana «Hono ho’ aho Mompera», nandritra ity taona 2022 ity, dia azo lazaina fa tao ireo fanontaniana tsara sy tena mahasoa tokoa ary matotra, tao ireo fanontaniana tsotra sy mazava noho ny tsy fahalalana sy ny fetra ananantsika, ary tao koa ireo fanontaniana toa mitsapatsapa sy natao fanahy iniana ka somary manahirana be ihany ho an’ny sasany.
♦ Nanetriketrika ny fitsenana an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, tamin'ny alarobia 9 ôktôbra 2024... ♦ Pretra roa sy Diakra iray avy amin'ny fikambanana Frères Mineurs Capucins no nohamasinina tamin'ny alahady 6 ôktôbra 2024, tany Befandriana Nord, Diôsezin'Ambanja... ♦ Ny Fanahy Masina no miantoka ny maha maneran-tany sy maha iray ny Eglizy, hoy ny Papa François, nandritra ny Audience générale, ny alarobia 9 ôktôbra 2024...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco