Alarobia 28 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 57-62
♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce apostolique eto Madagasikara androany 27 septambra 2022, i Mgr Tomasz Grysa. Tsy niandry ela fa niarahaba azy noho izao fanendrena azy izao ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Miisa 2300000 ireo Malagasy voatily fa voan'ny tazomoka, ny taona 2021, ka ny 547 amin'izany no namoy ny ainy. Nitombo avo roa heny tamin'ny antontan'isa nivoaka ny taona 2019 ny tarehimarika... ♦ Mbola nomontsanin'ny Barea Zandriny tamin'ny isa 7 no 1 indray ny ekipam-pirenena avy atsy Seychelles ny folakandro teo...
Nandefa taratasy fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr Tomasz Grysa, Nonce apostolique vao voatendry hiasa eto Madagasikara ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Nambarany fa vonona amin'ny fiaraha-miasa ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.
Notendren'ny Papa François androany faha 27 septambra 2022, ho Nonce apostolique eto Madagasikara i Mgr TOMASZ GRYSA.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco