Maro ireo tsy mivavaka raha tsy efa misy zavatra ilainy ka manao hata-piso amin'Andriamanitra. Tsy vitsy ireo mivavaka mba ho hitan'ny olona. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Nahilikiliky ny fianakaviany sy ny namany taloha i Rado rehefa avy nisazy tany am-ponja, noho ny heloka tsy nataony. Efa saika namoy fo izy, no tafahaona tamin'ingahy Ravelo izay nanome asa azy sy nametraka fitokisana taminy ka nahatonga azy ho mpitantana mahatoky sy mpihary nahatsangana izay ho azy ihany koa.
♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...
07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco