♦ Manao antso avo amin'ireo Diôsezy rehetra mba handefa avy hatrany ny fanampiana ho an'ireo tra-boina any atsimo atsinanan'ny nosy, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Manadino tanteraka ny maha olona izay mahatonga ny ady, hoy ny Papa François... ♦ Tafajoro amin'ny fomba ôfisialy ny Fikambanana masina "Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa", ao amin'ny Diôsezin'i Morombe...
28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.
Alahady 27 febroary 2022 — Alahady fahavalo mandavan-taona — Nosokafan’Andriamanitra ny fontsika mba hitandrina izay nolazain’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 39-45
♦ Manatanteraka ny fivoriam-be fanaony ny Secteur Avaratra ao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Dinika momba ny Sinaody no mibahan-toerana amin'izany... ♦ Nifantoka tamin'ny hevitra sy ny lanjan'ny fahanterana ny katesizin'ny Papa François, nanomboka ny alarobia 23 febroary 2022... ♦ Nanao antso avo ho amin'ny fifampiraharahana eo amin'i Rosia sy Ukraine ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Fiketrahana Masina...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco