Na dia mandalo vanim-potoana sarotra aza dia tadidio fa mbola hisy ny tsirim-panantenana eo amin' ny fiainana. (28-04-2021)
Herintaona mahery no niatrehantsika ny valan'aretina nateraky ny Coronavirus. Nampisy fiovana teo amin'ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao ny fihanak'ity valan'aretina ity. Fiovana mankany amin'ny fandrosoana ve ? Sa mitondra fihemorana kosa ?
Alarobia 28 aprily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50
♦ Manohana ny Faritra Analamanga amin'ny ady atao amin'ny Coronavirus ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana. Ranom-panafody famonoana otrik'aretina, apetraka amin'ireo biraom-panjakana samihafa ato amin'ny Faritra no natolotry ny Ministera... ♦ Nihena tsy toa ny isan'andro ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus omaly, Tranga vaovao 145 no hita tamin'ny fitiliana 734. Miisa 502 no sitrana soamantsara...
♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco