♦ Tsy mbola mieritreritra hanakatona sisin-tany ny fitondram-panjakana, manoloana ny fisian'ilay Covid-19 amin'ny endrika Omicron, hoy ny Praiminisitra... ♦ Nitondra fanazavana momba ilay fangatahana fampiatoana famoaham-bola eo anivon'ny Minisitera foibe misahana ny tontolo iainana androany, ny Minisitra lefitra... ♦ Polisy am-polony tamin'ity taona ity no natolotra ny fitsarana, noho ny fandikan-dalana sy tsy fanajana ny fitsipi-pifehezana...
Nihaona tamin’ny Papa François ny talata 30 novambra 2021 ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava. Maro ny dinika nifanaovan’izy ireo : ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy, ny JMJ 2022, ireo diosezy mbola tsy manana eveka… Indro ary ny hafatra manokana avy amin’ny Papa François ho an’ny vahoaka Malagasy tao aorian’ny fihaonan’izy ireo.
Ny fanehoana fitiavana dia ilaina, na eo amin'ny mpianakavy na eo amin'ny olona roa. Ndeha ho sokajiana toy ny fanadinana na enti-mody ny fanehoana fitiavana, inona no havoakan'ny fanombanan-tena nataontsika? Inona no tokony hatsaraina? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Alarobia 1 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 29-37
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco