Ny tenan'ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon'ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vahaolana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren'ny zava-boaary nataon'Andriamanitra ho an'ny rehetra raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin'ny rehetra, araka ny fahamarinana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Hotontosaina amin'ny 18 hatramin'ny 22 jolay 2022 ny Fihaonamben'ny Aumônerie Catholique des Prisons. Lohahevitra hobanjinina amin'izany ny hoe "ACP, akaiky an'ireo voafonja mandrakariva"... ♦ "Tsy maintsy homanina ny ho avy", hoy ny pretra nitarika ny Eokaristia Masina, nanatanterahana ny Fihaonamben'ny Ankizy, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Olon-dehibe miisa 45 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, tao amin'ny Paroasy Saint Eugène de Mazenod, omaly alahady...
04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.
Alahady 3 jolay 2022 — Alahady fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-12. 17-20
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco