♦ Andalam-piforonana ho rivodoza ilay tangoron-drahona faharoa tany atsinanan'ny fari-dranomasina Indiana. Tombanana hitombo hery sy hanohy ny diany hanakaiky ny morontsiraka avatra atsinanana izy ato anatin'ny roa andro manaraka... ♦ Tsy afa-bela amin'ireo hambana avy any ivelany isika, dia ireo ady sy olana samihafa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ary mila miomana hatrany ihany koa amin'ireo hambana anaty, toy ny fiovaovan'ny toetrandro, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, androany...
Ny fanabeazana dia miompana amin'ny lafiny telo : vatana, saina, fanahy. Ny lafika iorenan'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho vanona dia ny "soatoavina". Teny no maha firenena ny firenena iray, etsy ankilany anefa mbola ahitàna fampifangaroana teny ny eny amin'ny tontolo hita maso sy ny re, izay no mahasarotra ny fampiasana tanteraka ny "teny malagasy" ; eo koa ny halavan'ny voamboalana malagasy tandrify ireo teny vahiny. Appel = Antso anarana. Registre = Bokin'anarana. Protége = hefina. Porte-documents = hefin-takelaka. Blouse = Hefin'akanjo. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.
Araka izay voasoratra ao amin'ny Testamenta Taloha hoe : "Hanao fivoriana masina iranareo amin'ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin'ny andro fahafito. Tsy hiasa amin'ireo andro ireo " Eks.12,16. Raha jerana araka izay voasoratra dia fanontaniana tokony tsy hipetraka ny hoe "andro sabotsy sa alahady no mety hanaovana ny vavaka, satria samy andro fanaovana fivoriana masina. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Tojo tsy fahasalamana i Joany Bosco indray andro, notsaboinà mpamboly mahantra atao hoe Jean Chalosse izy rehefa nampiantranony. Ity lehilahy ity dia sendra olana taona vitsy talohan'izao, ary nisy pretra nanampy azy araka ny fitantarany ; gaga izy rehefa nilazan'i Joany Bosco fa izy ilay pretra tamin'iny tranga iny. Hafaliana no nilazana fa : ankehitriny dia voavalinao tamiko ny soa ary tanteraka ilay hoe ny soa atao levenam-bola...
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco