♦ Miaka-dapa, miatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ity taona ity ny Andrim-panjakana mpanao lalàna eto Madagasikara. Hafampana ny ady hevitra eny Tsimbazaza, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nihaona tamin'ny vahokan'ny Kaominina Anosizato Andrefana, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano androany, ny Filohan'ny MMM... ♦ Mitaky ny hamoahana ny fanavaozana ny fahazoan-dàlana mitrandraka vato sy ny làlana mifehy izany ny fikambanan'ny mpanao vato any Fianarantsoa...
Mba hisy vokany ny fifanakalozan-kevitra dia tsy maintsy mitodika amin'Andriamanitra mangataka ny fanilovany, mangataka ny sitrapony, mangataka ny fitantanany. Noho ny asan'ny Fanahy Masina izay manoro hevitra tsara mandrakariva ny olombelona dia manoro antsika Izy, fomba entina hanentanana ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra. Tsy fanaovana fifanakalozan-kevitra eo am-pisakafoana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
Mpampianatra mipetraka irery i Fenitra. Hariva izy vao nanidy trano indray andro, sendra an'i Tojo izay nisy namono, ary namonjy an'io lehilahy io izy. Notsaboin'i ny ferin'i Tojo. Mitebiteby Ingahy Ratrema sy Ramatoa Ramary ray aman-drenin'i Tojo, na efa nilaza tamin'ny mpitandro filaminana aza izy ireo. Rehefa nahatsiaro tena i Tojo dia gaga nahita ny manodidina azy izay trano hafa mihitsy, fonenan'i Fenitra. Tsy navelan'i Fenitra hivoaboaka i Tojo sao ho hitan'ireo jiolahy namono azy.
Ny antson'Andriamanitra miantefa amintsika amin'ny vanim-potoanan'ny paka dia izay voalaza ao amin'i Md Marka : "...mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voahary rehetra...". Zava-dehibe ny antson'Andriamanitra ho pretra na relijiozy na ho laïka amin'ny fanokanan-tena na ihany koa hanambady.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco