Ny anarana dia entina hamantarana na hanavahana olona na zavatra. Ny anarana dia misy fototra ara-kolontsaina lehibe teo amin'ny Ntaolo sy ny razambe Vazimba. Ny fomba fanomezana anarana dia teny ierana eo amin'ny olon-droa farafahakeliny. Ny anarana dia miankina amin'ny volana, andro, fotoana nahateranana ; ohatra Dama, Ratalata, Rabefararano. Misy fotoana araka ny laharam-pahaterahana ihany koa ; ohatra : Rakoto, Rasoa, Ranaivo, Raivo, Mparany, Fara. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Rehefa ampy fahalalana amin'ny fampisana ny fitaovam-pifandraisana dia mitombo ihany koa ny fahalalana, mirindra ny fiainana ao an-trano. Mivelatra ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, mitombo ny fahalalana ny zava-misy toy ny fahalalam-baovao. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belo, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Maria, tahaka ny nahateo anilantsika azy nandritra ny fiainantsika manontolo, dia ho eo anilantsika koa izy amin'ny ora hahafatesantsika. Ao amin'ny vavaka angatahantsika aminy, any amin'ny faran'ny Fiarahaban'ny Anjely, amin'ireny fotoana ireny isika dia mangataka aminy handray ny tanantsika sy hanampy antsika hitsangana ka hiazakazaka hanatona an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny fiainantsika. Hasivianandro fanomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahasivy.
Maty tamin'ny loza tsy voafaritra ny ray aman-drenin'i Bary ; azo kilasiana ho horohoron-tany no niseho izay nintelina an'ireo havany. 120 no isan'ny olona mponina tao Tsiafajavona, ny 30isa no tsy hita vokatry ny loza, olona miisa 10 sisa velona, ireo 80 hafa kosa tototry ny tany. Nalevina tamin'ny toerana iray ireo fokonolona maty, ary zary nisy hazo-malahelo naniry teo akaiky an'ilay toerana ; mandeha raha ilay hazo raha vao voatsongo. Narovana io toerana io, nasiana soratra hoe : "tany fady".
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco