23 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)
Efa ela no nisian'ny aretina raboka, ary mbola misy hatramin'izao, indrindra eto Madagasikara. Misy ny Tetik'asa Nasiônaly hiadiana amin'ny Raboka na ny "PNT" ho antsika eto Madagasikara, iarahana amin'ny Ministeran'ny fahasalamana. Ny raboka atao hoe "TB" dia areti-mifindra vokatry ny mycobacterium, Mycobacterium tuberculose, antsoina hoe "bacillus Koch" (BK). Maimaimpoana ny fitaboana ny raboka, fa kosa tsy maintsy vitaina hatramin'ny farany ny fitsaboana, izay maharitra 6volana. Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora ny raboka. Fambara : kohoka mihoatra ny 3herinandro, mety hisy ra, mihareraka ilay olona, tsy mazoto homana...
♦ Notendrenan'ny Papa François ho Evekan'ny nosy La Réunion, i Mgr Pascal Chane-Teng... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany i P. Odon Honoré Andrianarisoa, Aomônie Nasiônalin'ny AFAFI-FET... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ambanja ireo "Justice et Paix" eo amin'ny sehatra nasiônaly, ka misy ny fiofanana sy ny fivoriana izay nifampizaran'ireo tamin'ireo "Justice et Paix" any amin'ity Diôsezy ity...
Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco